歌词
Efa akaiky ny maraina ho foana ireo taraina
Ny hirain'ny zanak'olombelona ny hiaraka hifamelona
Na havoana, lohasaha tsy hisian'ny didy jadona
Ny hirantsika roalahy hadio toa rano an'ala
Aza misara-mianakavy
Tsy mitokantoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka any anaty aizina
Masoandro amam-bolana hamono ity ady
Velon-kira ireo vorona foanany teo ny rahon'ady
Rindrina izay mamefy hirodana avy hatrany
Ny fahavalo dia hilefy
Fandresena eran-tany
Fanjakana loham-boto tsy mba mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto henatry ny olombelona
Mbola ho avy ny maraina ho foana ireo taraina
Hiray ny zanak'olombelona hianatr'hifamelona
Written by: Honoré Augustin Rabekoto


