album cover
Ravitoto
1,361
World
Ravitoto was released on March 25, 2023 by BOLO as a part of the album Ravitoto
album cover
Release DateMarch 25, 2023
LabelBOLO
LanguageEnglish
Melodicness
Acousticness
Valence
Danceability
Energy
BPM

Credits

PERFORMING ARTISTS
BOLO
BOLO
Performer
COMPOSITION & LYRICS
Mirindra RANDRIANARISOA
Mirindra RANDRIANARISOA
Songwriter

Lyrics

Lyrics RAVITOTO
Verse 01
Indray hariva nifoka sigara aho teo an-tokontany
Nanontany tena : mba ho lasa inona aho indray androany ?
Nidobodoka henoko tsara ny tany am-poko tany
Hoe inona no tena ilà(va)na ahy eto an-tany
Inona no tian’i dada, inona no tian’i mama ?
Inona ilay asa mahavelona tsara sy mendrika hikaramana ?
Inona no tian-dramose, inona no tian’i madama
Aiza no hiafaran’ny lesona averina any am-pianarana any ?
Hanao izay hahafaky an’iry, mba tsy ho afa-baraka amin’ny atsy
Izay no nibaiko ny safidiko mazàna na ho tsara na ho ratsy
Dia mila mibosy an’ity, fa sao tsy tafa hono mantsy
Dia ilay nofinofy matahotra ho faty satria efa nambanako ny antsy
Dia nataoko ary izay tian’ny olona na tsy sitrapoko aza
Miandry doka amin’ny fiaraha-monina hoe hendry kosa ilay zaza
(Non non) Dia nataoko ary izay tian’ny olona
Na tsy sitrapoko aza
Refrain :
Te ho lakana ity hazo
Mba tondray izaho fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
(Ho) Ravitoto (ny) mangahazo
Verse 02
‘Ndehana leity manao dokotera a ! Kelikely ny tokin’aina
Poins koa manao pilote. Te hanidina ihany aho fa any an-tsaina
Politika hitantana firenena ? Aleoko mijanona ho ambakaina.
Niafarany sociologue. Tiako ihany fa nampiferinaina
Niteny aho fa tsy nisy nihaino hoe : izaho mba te ho … Inona a ?
Rehefa nisy nihaino indray dia tsy nisy nino hoe : izany mba hahazo ohatrinona a ?
Raha natokisana hatramin’ny voalohany aho tsy nampatahotra ahy ny any aoriana
Tsy voabaikona zavatra fohana aho fa ny nofinofiko aza hampanginina
Lasitra tonta efa hatramin’izay no amadibadihany ny ho avinao
Hatramin’izay izay no efa mofo gasy, mbola mofo gasy ihany hatramin’izao
Izaho tsy miteny hoe io mofo ratsy fa mba te hihinan-javatra vaovao
Tsy hanatanteraka nofy ratsy fa hanao mozika aho izao dia izao
Dia hatao ve izay tian’ny olona, na tsy sitrapoko aza
Himonimonina ny fiaraha-monina hoe mafy loha izany raha zaza
(Non non) Dia hatao ve izay tian’ny olona
Na tsy sitrapoko aza
Verse 03
Novelomiko ny ordi, nataotaoko ary ny instà
Nampiakariko ny inspi f’efa ohatra ny adala manenjika ahy
Impiry aho no bedin’i dada sy neny hoe ny lesonay mba hianaro kely
Aleoko nandrafitra fehezatany hitoeran’ny fanahy malahelo
Dia nadoboko mba hampitresaka izay sakana rehetra mipetraka
Nasiako dia io fa niteraka asa soratra bobaka, betsaka
Nahazoaka daka, felaka. Niandry an’i Pôly aho raha niandry mpitehaka
Aza gadrainao amin’ny rindrina efatra aho fa omeo elatra, hivelatra.
Refrain :
Te ho lakana ity hazo
Mba tondray izaho fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
(Ho) Ravitoto (ny) mangahazo
Written by: Mirindra RANDRIANARISOA
instagramSharePathic_arrow_out􀆄 copy􀐅􀋲

Loading...