album cover
Laingalainga
14
Afro-Beat
Laingalainga was released on September 5, 2023 by Niu Raza as a part of the album Immigrant
album cover
Release DateSeptember 5, 2023
LabelNiu Raza
Melodicness
Acousticness
Valence
Danceability
Energy
BPM120

Music Video

Music Video

Credits

COMPOSITION & LYRICS
Nathan Gabri
Nathan Gabri
Songwriter
Ny Ony Razafindratandra
Ny Ony Razafindratandra
Songwriter

Lyrics

Raha mba fantatrao mantsy
Fa ianao dia mbola mibahana anaty eritreritro
Indrisy raha mba henonao mantsy
F'ity foko tsy mitempo intsony toy ny taloha
Toa matroka ny lokon- danitra
Satria ianao 'lay kintana nanaingo ny haizina
Fa amiko to lasa hafahafa
Ny tsy hiantso anao intsony hoe malala
Fa ho havadiko ny pejy raha sitrakao
Ho hafeniko ny fery raha mety natao
Fa saingy hoe ho
Laingalainga laingalainga izany
Tsy potika ny foko raha mety aminao
Mbola hilaza koa aho hoe tsy ho tianao
Fa saingy hoe ho
Laingalainga Laingalainga zany
Laingalainga
Laingalainga
Raha mba fantatrao mantsy
Tsy nofafako ny sarinao
Fa mbola miafina any ambadimbadika any
Ilay taratasy nosoratanao
Mbola misoratra ao an-dohako ao
Mbola tsaroko ireny, ilay feonao
Miantso ahy hoe Neny,
Eny raha mba fantatrao mantsy ireny!
Fa ho havadiko ny pejy raha sitrakao
Ho hafeniko ny fery raha mety natao
Fa saingy hoe ho
Laingalainga laingalainga izany
Tsy potika ny foko raha mety aminao
Mbola hilaza koa aho tsy ho tianao
Fa saingy ho hoe Laingalainga Laingalainga zany
Ho laingalainga izany
Na dia potika ny foko
Fa laingalainga zany
Na dia mbola mitsiky aza ny tarehako
Laingalainga zany
Raha mba fantatrao fa laingalainga mantsy izany
Dia nandika ireo teny
Bedin'ny ray aman-dreny yeah
Naditra ka
Ny fafiny no noraisiko eny
Dia nandaingalainga teny
Bedin'ny ray aman-dreny
Nandaingalainga ka teo aho no raisina yeah
Written by: Nathan Gabri, Ny Ony Razafindratandra
instagramSharePathic_arrow_out􀆄 copy􀐅􀋲

Loading...