album cover
Zanako
album cover
Zanako was released on December 8, 2025 by Reko Band as a part of the album Misia
AlbumMisia
December 8, 2025
LabelReko Band
BPM
Melodicness
Acousticness
Valence
Danceability
Energy

Lyrics

Izay misy harena hono no misy ny fo.
Sombinaiko ianao, ianao ho ahy fananako.
Ny foko any aminao.
Tiako ho vanon-ko lakana ianao zanako,
Hiezaka aho mba ho tany tsara hanirianao ny fiainako.
Ny foko any aminao.
Hitaiza, hanoro.
Hiaro aho tsy hamono.
Tsy hisy ho tsy ampy, hamoky hampitafy
Hamelona anao.
Hanambitamby, hanafosafo, hanome fitiavana anao.
Eny ! Hotsaboiko raha marary,
Raharahiako raha tomany ianao zanako.
Eny ! Ampianariko hiary,
Tsy ho sendra ny mosary ianao zanako.
Eny ! ireo manodidina, hiaraka hitsimbina anao zanako zanako.
Eny ! ireo havana sy namana,
Hifanome tanana hahavanona anao.
Zanako, ny foko any aminao.
Karakaraiko ianao sombinaiko,
Ampiasaiko aminao ny herin-tsaiko.
Hitaiza, hanoro, hiaro tsy hamono.
Izay rehetra zonao tsy maintsy ho ajaiko e.
Tiako ho vanon-ko lakana ianao zanako,
Hiezaka aho mba ho tany tsara hanirianao ny fiainako
Written by: Fy Rasolofoniaina
instagramSharePathic_arrow_out􀆄 copy􀐅􀋲

Loading...