album cover

Very

351Dance2026
album cover
Very was released on November 7, 2026 by Reko Band as a part of the album Andao
AlbumAndao
ReleasedNovember 7, 2026
LabelReko Band
BPM41
Melodicness
Acousticness
Valence
Danceability
Energy

Music Video

Music Video

Lyrics

Sombiny avy amin’ny aiko
Izay ahy dia anao.
Lazaiko foana hoe : « ianao lalaiko »
Nefa adinoinao.
Ianao ilay zanaky ny fitiavana,
Ilay tokony hizara indray no mangetaheta,
Tianao ho faly izay rehetra mitanzana
Ka reraka ianao manakatra lenta.
Ny maha ianao anao toa very,
K’ilay fitiavako anao lazainao misitery.
Mora maratra ianao, mora sorena kely.
Izao tontolo izao lasa tianao hiodina aminao irery.
Izao rehetra izao sombinaiko nataoko hanjakanao.
Izay rivotra mitsoka indray no mibaiko ny fomba fiainanao.
Tsy misy hitanao ny harem-be efa an-tànana,
Toy ny mahantra ny fonao manjoretra.
Mitodika avia, mitodika havanana,
Sady te hiavaka no te hitovy amin’ny rehetra.
Ny maha ianao anao toa very,
K’ilay fitiavako anao lazainao misitery.
Mora maratra ianao, mora sorena kely.
Izao tontolo izao lasa tianao hiodina aminao irery.
Trondro kely someby milomano
Avy lavitra ianao !
Tsy tonga saina f’izaho anie no rano izay manenika anao.
Mitrakà kely aloha,
Havereno amiko ny masonao
Ny maha ianao anao toa very,
K’ilay fitiavako anao lazainao misitery.
Mora maratra ianao, mora sorena kely.
Izao tontolo izao lasa tianao hiodina aminao irery.
Written by: Fy Rasolofoniaina

Shazam Footer

Select language:
Google Play Store
Apple App Store
Chrome Web Store
Galaxy Store

Follow Us

Loading...