制作
作曲和作词
LevelBeatz Henintsoa Hents
词曲作者
Thierry Tsiriniaina Rakotondravao
词曲作者
歌词
Androany eto ankiniko amin'Azy ireo ho avy be dia be
Ireo lalana izorako izay sarotra ho aleha
Izay sedra mandalo dia ho antenaiko fa ho voafehy
Fitiavana feno hery lehibe
Tsy sasatra IZY isan'andro manome
Androany eto ankiniko amin'Azy ireo ho avy be dia be
Ireo lalana izorako izay sarotra ho aleha
Izay sedra mandalo dia ho antenaiko fa ho voafehy
Fitiavana feno hery lehibe
Tsy sasatra IZY isan'andro manome
Ho ankiniko amin'Azy na ratsy na tsara izay miseho
Tsy maintsy ho mpandresy, ny fahakiviana tapitra hatreo
Ny olana misesy, na rivotra mifofo tonga eo
Akaikiko foana IZY hampiakatra avo ny feo
Tsy azoko afenina fa IZY ihany no afaka hanarina indray
Izay tokony ho harenina rehefa sendra lavo indraindray
Tsy ho asiako nenina satria hampifandray
Ho afom-pitiavana tsy ho lefy mandrakizay
Androany ho amafisiko fa IZY no hiankinan'ny ato an'doha
Nanazava izay maizina, hatramin'ny fiainako vao niandoha
Handaminako ny androko isa-maraina vao mifoha
Lasa lalim-paka ato am-po
Isan'andro mie mafy kokoa
Ireo fianankaviako, ireo namako akaikin'ny fo
Ho apetrako amin'Azy ny fiainan'izy ireo ihany koa
Ilay fireneko izay mbola mandady miamboho
Ireo fiainam-bahoaka samy hie tsara kokoa
Tsy azoko afenina fa IZY ihany no afaka hanarina indray
Izay tokony ho harenina rehefa sendra lavo indraindray
Tsy ho asiako nenina satria hampifandray
Ho afom-pitiavana tsy ho lefy mandrakizay
Misy fotoana aho hoe tsy tafarinaa
Dia ny saina no namboarina fa indraindray tady tsy hino mampitaha ny ratsy sy ny marina
Mahatoky fotsiny aho hoe misy hery tsy haiko takarina
Izay ihany dia ampy ahy, ny ambiny tsy ilaiko fantarina
Ho ankiniko aminy ombieny izay lalan-kizorana
Ny fahaizana mandanjalanja ny tsiky sy ny fahasosorana
Eny fa mafy ny fatorana, sarotra ihoarana fa IZY ihany no ifotorana hanome tsikelikely fivoarana
Rehefa mafy ny kombaka tady hiala an-daharana
Mitobaka rehefa mihoatra ny fatra'ny kopy famarana
Tady ho lasa fahazarana
Ohatran'ny hoe niaina naiangarana
Dia eo ilay mila mandinika feo famantarana
Dia ankiniko Aminy ny fiananako
Ny ankohonako
Ny iray tampo amiko, sy ireo ray aman-dreny mbola ihazonako
Ny fianankaviako rehetra na alavitra io na akaiky
Ny life'ny akamako ankiniko Aminy mba tsisy ho taraiky
Ny fireneko, ireo mpiray tanindrazana
Ireo vahoaka majinika mbola mitrongy mitady fahombiazana
Ireo tanora izay manana ho avy mbola hamiratra
Any Aminy ny fitaratra, hampisokatra ny saina mba hamiratra
Yaouuu
LAZ
Ho ankiniko Aminy irery ihany
Mandrakizay tsy ho lefy
Aminy irery ihany
Written by: LevelBeatz Henintsoa Hents, Thierry Tsiriniaina Rakotondravao