Music Video

Mahaleo - Tongava re 2.0 (mpX Rama reflip)
Watch {trackName} music video by {artistName}

Credits

PERFORMING ARTISTS
Mahaleo
Mahaleo
Performer
COMPOSITION & LYRICS
Famantanantsoa Rajaonarison
Famantanantsoa Rajaonarison
Songwriter

Lyrics

Tongava re, tongava re! Tongava mamangy ny tanana misy anay Tongava aza misalasala ho'aho Tongava manaraka ny arabe, zay mitondra mankany Tongava re, tongava re! Tongava mamangy ny tanana misy anay Tongava aza misalasala ho'aho Tongava manaraka ny arabe, zay mitondra mankany Ho adinonao daholo ary ireo sorisory Sorisory mandreraka anao Ho adinonao daholo ary ireo tebiteby Tebiteby mandreraka anao Fa ny zavatra ho hitanao any Dia lanonana! Lanonana miaraka am'reo akama Zay ao an-tanana! Fa ny zavatra ho hitanao any Dia lanonana! Lanonana miaraka am'reo akama Zay ao an-tanana! Tsy kobaka am-bava izy ity ry zalahy Tsy kobaka am-bava toy ny kabary Tsy kobaka am-bava nodradradradraina fa Hirahiran'ireo bandy kely izay mitendry kabosy! Tsy kobaka am-bava izy ity ry zalahy Tsy kobaka am-bava toy ny kabary Tsy kobaka am-bava no dradradradraina Fa hirahiran'ireo bandy kely izay mitendry kabosy Manakoako daholo ireo lohasaha malaza mangina Manakoako daholo ny ambanilanitra iray manontolo a! Tsy mbola nahita ohatr'zany aho, tena marina ho'aho Feona kabosy sy marakasy dia mahavita an'izany Tsy mbola nahita ohatr'zany aho, tena marina ho'aho Feona kabosy sy marakasy dia mahavita an'izany Tsy notambatambazina na noterena Fa tonga daholo ny tao an-tanana Niara-niredona ireo hirahira Hirahira ataon'ireo bandy kely Hirahira vokatry ny tany! Tsy notambatambazina na noterena Fa tonga daholo ny tao an-tanana Niara-niredona ireo hirahira Hirahira ataon'ireo bandy kely Hirahira vokatry ny tany! Velona am'zay ary ny lamako Miaraka amin'ny amponga Velona am'zay ary ny taralila Miaraka amin'ny langoraona Tsy mbola nahita ohatr'zany aho, tena marina ho'aho Nanjary nisy bal tao an-tanana Mandra-parain'ny andro ah! Tsy mbola nahita ohatr'zany aho, tena marina ho'aho Nanjary nisy bal tao an-tanana Mandra-parain'ny andro ah! Iny fa tonga am'zay Tonga am'zay ny maraina Iny fa nody am'zay Nody am'zay ireo akama Manaraka ny arabe, arabe Zay mitondra an'zareo handeha, handeha Iny fa tonga am'zay Tonga am'zay ny maraina Iny fa nody am'zay Nody am'zay ireo akama Manaraka ny arabe, arabe Zay mitondra an'zareo handeha, handeha Mandehana re, mandehana re! Mandehana mankany amin'ny tanànanao Mandehana aza misalasala ho'aho Mandehana manaraka ny arabe Zay mitondra anao mody Mandehana re, mandehana re! Mandehana mankany amin'ny tanànanao Mandehana aza misalasala ho'aho Mandehana manaraka ny arabe Zay mitondra anao mody Hiverina daholo ary ireo sorisory Sorisory mandreraka anao Hiverina daholo ary ireo tebiteby Tebiteby mandreraka anao Fa ny zavatra miandry anao any Manadala ho'aho Kandra be manadala ho'aho ry leirony ah Ka mba marina mafy! Fa ny zavatra miandry anao any Manadala ho'aho Kandra be manadala ho'aho ry leirony ah Ka mba marina mafy! Fa ny zavatra miandry anao any Manadala ho'aho Kandra be manadala ho'aho ry leirony ah Fa mba marina mafy a
Writer(s): Famantanantsoa Rajaonarison Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out