Μουσικό βίντεο

Συντελεστές

PERFORMING ARTISTS
Mahaleo
Mahaleo
Performer
COMPOSITION & LYRICS
Zafimahaleo Rasolofondraosolo
Zafimahaleo Rasolofondraosolo
Songwriter

Στίχοι

Rahoviana indray moa No hifarana tokoa? Rahoviana indray moa No ho tapitra tokoa? Ity ady tsy misy fiafarana Mbola mampiady ireo fatram-pitana Ny fandriampahalemana Rahoviana indray moa No ho foana tokoa? Rahoviana indray moa No ho levona tokoa? Ity fijaliana eto an-tany Mampikoriana ra sy tomany? Eny, izany no mbola misy Inona indray moa Raha tsy matroka tokoa? Ny lokon-danitra rehefa tohina ny fo Rehefa mahatsiaro ireo namana Fantatry ny maro fa voatantana Ho any amin'ny fahafatesana Iriko fatratra mba tsy ho fantatra Ity hery izay manosika sy manery Ny fontsika tsy hamindra fo Ny tanantsika tsy hijanona ny hamono Eny, izany no mbola misy!
Writer(s): Zafimahaleo Rasolofondraosolo Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out