クレジット
PERFORMING ARTISTS
BOLO
Performer
Mirindra RANDRIANARISOA
Vocals
Anjara Rakotozafiarison
Guitar
Dominique RASOLOFOMANDROSO
Background Vocals
Mirindra Razafindrazaka
Background Vocals
Ludovic RAKOTONDRAINA
Keyboards
COMPOSITION & LYRICS
Mirindra RANDRIANARISOA
Songwriter
PRODUCTION & ENGINEERING
Mirindra RANDRIANARISOA
Producer
Miora Rabarisoa
Mixing Engineer
Joel Jaccoulet
Graphic Design
歌詞
Eh hoy ah hoy ! Eh hoy ah hoy
Nofinao henoina izay tianao dia atomboy
Eh hoy ah hoy ! Eh hoy ah hoy
Izaho aloha aza antsoina.
Rehefa tsy hanao adaboy
Aleo 'zaho iaina fa tsy hiaritra
Esoriko izay tsy ilaina
Ataoko izay mahafinaritra ahy
Aza kafaraina, tsy mila mpanavotra aho
Eto an-tany aza tsaratsaraina
F'hita eo ny any an-danitra
Izaho kamo hifoha maraina
Marai-tsy hariva aho malaina
Mbola be ny adidy efaina
Misotro, mifoka maina
Aleo ho hita eo ny any aoriana
Aleoko miandry fanampiana
'Ndeha anamboatra fandriana
Matory aho aloha fa mangina
Ataoko izay tiako
Izay tiako dia mety
Raha mety asiako
Ataoko izay tiako
Izay tiako dia mety
Raha mety asiako
Eh hoy ah hoy ! Eh hoy ah hoy
Nofinao henoina izay tianao dia atomboy
Eh hoy ah hoy ! Eh hoy ah hoy
Izaho aloha aza antsoina.
Rehefa tsy hanao adaboy
Toa hoe mijalijaly hono ny tanjona vao tratranao
Vao tonga ny hafaliana, tsy omby ny tratranao
Aina sy vola tapitra amin'ny mpivarotra mahazatra anao
F'i toaka sy maholy no hanasitrana ny ratranao
Izaho kamo hifoha maraina
Marai-tsy hariva aho malaina
Mbola be ny adidy efaina
Misotro, mifoka maina
Aleo ho hita eo ny any aoriana
Aleoko miandry fanampiana
'Ndeha anamboatra fandriana
Matory aho aloha fa mangina
Ataoko izay tiako
Izay tiako dia mety
Raha mety asiako
Ataoko izay tiako
Izay tiako dia mety
Raha mety asiako
Eh hoy ah hoy ! Eh hoy ah hoy
Nofinao henoina izay tianao dia atomboy
Eh hoy ah hoy ! Eh hoy ah hoy
Izaho aloha aza antsoina.
Rehefa tsy hanao adaboy
Avoahy ny adalàna
Fa izay no mahasalama
'Ndao hiaraka hinahana
'Nareo mbola miasa ihany
Written by: Mirindra RANDRIANARISOA