album cover
Tongasoa
album cover
Tongasoa was released on December 8, 2025 by Reko Band as a part of the album Misia
AlbumMisia
December 8, 2025
LabelReko Band
BPM67
Melodicness
Acousticness
Valence
Danceability
Energy

Music Video

Music Video

Lyrics

Tongasoa ato aminay.
Somary tsotsotra fa ohatr’izao mihitsy izahay.
Etsy ary aloha raisiko ny enta-mavesatrao,
Mipetrapetraha, faly izahay fa tonga ianao.
Ny aty,
Samihafa mfijery, samihafa fiteny,
Samihafa revy nefa mifankatia eny.
Izay izahay izay.
Ny aty,
Androany aho mantanjaka, rahampitso aho
Malemy, androany aho tanjakao, rahampitso ianao
Heriko.
Izay izahay izay.
Ato ny mpanjaka no manompo.
Manasa ny tongotra maloto.
Ato ny lalàna miondrika eo anatrehan’ny fitiavana.
Tsisy andriana sy andevo ny ato,
Fa fianakaviana iray.
Dia izay, dia izay.
Tongasoa ny fahalemenao.
Tsy ianao irery akory no toa izao.
Hafaka esorina ny saritavanao,
Fa samy mianatra miaina, tsisy tsara kokoa no ianao.
Ny aty,
Samihafa mfijery, samihafa fiteny,
Samihafa revy nefa mifankatia eny.
Izay izahay izay.
Ny aty,
Androany aho mantanjaka, rahampitso aho
Malemy, androany aho tanjakao, rahampitso ianao
Heriko.
Izay izahay izay.
Ato ny mpanjaka no manompo.
Manasa ny tongotra maloto.
Ato ny lalàna miondrika eo anatrehan’ny fitiavana.
Tsisy andriana sy andevo ny ato,
Fa fianakaviana iray.
Dia izay, dia izay.
Mifanagana, mifampihaino.
Samy mianatra, mifameno.
Tsy mody mitia.
Ato ny mpanjaka no manompo.
Manasa ny tongotra maloto.
Ato ny lalàna miondrika eo anatrehan’ny fitiavana.
Tsisy andriana sy andevo ny ato,
Fa fianakaviana iray.
Dia izay, dia izay.
Written by: Fy Rasolofoniaina
instagramSharePathic_arrow_out􀆄 copy􀐅􀋲

Loading...