Lirik
Omaly aho iza moa?
Mbola nadio tsara ny fijery
Ny fomba fiaina sy ny fiteny
hoe hanao mlay...
Pimaso hoanreo efa teo tamza mbola kindindreniko
Omaly, niara nisary adala
Otrn hoe tsy ho faty
Omaly tsy nifankafoy, zao tady tsy hifankalala
Miova koa ny tantara
Omaly aho nankafy, amzao tady tsy ho ampy ny dose
Omaly aho bandy mlay fa tsy notsaraina tamin'ny poziko
Omaly aho tsy nety fay
Omaly niray lalana
Omaly tsika nahay nanala
Omaly tsiky foana no kobo
Omaly koa be ny hoe namana
Omaly tsika nifampizara, fa mbola tsy nanisa ny sarany
Omaly tsika samy teny ambany, tsy nikajy tohatra hiakarana
Omaly ze ratranao reko
Omaly ze tsy nety koa mety
Omaly ve mba tadidinao?
Omaly nananantsika ny fotoana
Otrn hoe zaza niara nilalao
Ny mahasoa sy ny mafinaritra rehetra natao
Omaly tsika nifampikozy hoe ho ela velona
Omaly nisy nody vovoka sy lavenina
Omaly kobonao ze nafenina
Omaly, kobonao, tsy afaka averina
Ny ambiny ho hitantsika eo radem ndray
Written by: Kizl