album cover
Rotoroto
album cover
Rotoroto was released on March 20, 2026 by Reko band as a part of the album Fantatrao Ve?
March 20, 2026
LabelReko band
BPM104
Melodicness
Acousticness
Valence
Danceability
Energy

Lyrics

Izay rehetra miaina, miaina eto an-tany
Samy mahalala any anatiny any
Fa mandalo ihany.
Izay rehetra hita, azo henoina sy tsapaina
Samy misy fiandohana, misy fiafarana,
Fa sambatra izay mahay miaina tsara ny fandalovany.
Oh ry foko moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany.
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany,
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly.
Oh ry foko! Oh ry foko!
Rahoviana izany ianao vao hiaina?
Ny fiainanao omaly
Rano raraka
Ny fiainanao androany
Manenji-drivotra
Ny fiainanao rahampitso
Tsy misy antoka
Raha tsy hay ny antony isiana.
Oh ry foko moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany.
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany,
Nefa anie ny androany, ampitson’ny omaly.
Oh ry foko! Oh ry foko!
Rahoviana izany ianao vao hiaina?
Izao ve ilay tianao?
Raha jerenao ny fiainanao, sambatra ve ianao?
Sao dia miazakazaka ivelan’ny kianja ianao?
Any amin’izay tsy mivonto no manaintaina aminao?
Oh ry foko! Oh ry foko!
Ilay loharano tsara mila fantatrao.
Oh ry foko moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany.
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany,
Nefa anie ny androany, ampitson’ny omaly.
Oh ry foko! Oh ry foko moramora ihany!
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany.
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany,
Nefa anie ny androany, ampitson’ny omaly.
Oh ry foko! Oh ry foko!
Rahoviana izany ianao vao hiaina?
Written by: Fy Rasolofoniaina
instagramSharePathic_arrow_out􀆄 copy􀐅􀋲

Loading...