Texty

Tiako, tiako Ary tena faniriako Raha ialahy, no mba namana Mety handray, ireto Ireto tanana Indrisy, indrisy Toa mitady ny tsy misy Fa ialahy, Rafahafahana Toa mandà, tsy mety Mety ho namana Teto aho, dia nipitrapitra Sy nitsiriritra Ny tsy natao ho ahy Nefa, fitia tsy mety ritra Mikiry sy maditra Natokako an'ialahy Indraindray, indraindray Variana aho mijery an'ialahy Manantona, ireo zay tsy mitady Fa miavona, anay Zay mandadilady Inona, inona No anaovan'ialahy ahy tsinontsinona Manavaka trano hidirana Sa ve ialahy, mifidy Fihodirana Zahay ety Mijinja ny mafaitra Mitaty ny tsy laitra Tsy afaka manoatra Iandrasana, hitondra takaitra Zay ngamba ialahy vao taitra Sao dia mba tara loatra Potika, potika Fo sy saina rotidrotika Miantomboka, ny faharavana Ka eo ilay, ry, ry figadrana Foiko, foiko Raha ny foko no henoiko Hanome ny aiko Mba ho sorona Ka ny fanahiko, hitovy Amin'ny vorona Aoka aho Mba ho tompon-tsafidy Mba tsy havela hihidy Ty vavako miteny Ampy ho ahy izay Nitondra mangidy Tsy tiako ho tadidy Reny rehetra ireny F'izaho sy ialahy Hamafy hafaliana Hanome fanampiana Ny mitovy amiko Raha eo ialahy Hiteny ireo nangiana FAHAFAHANA no iriana Ho an'ny Taniko
Writer(s): Rakotobe Andrianabela Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out