Hudební video

Nabízeno v

Kredity

PERFORMING ARTISTS
Mahaleo
Mahaleo
Performer
COMPOSITION & LYRICS
Andrianabela Rakotobe
Andrianabela Rakotobe
Songwriter

Texty

Embona sy hanina, Tsiahy mahafanina Ngoly ny fo mamelovelo, Madisadisan'alahelo. Ny havoana tazanina, Tsy hita ho dinganina Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra Ny aina marary ny fo maratra. Fa ny antsoko ny akony no mitampody Te hihiaka mafy anie aho fa tsy tody Izay jerena toa manjavozavo Rako-drahona sy vohitra avo. Fa mahery sy masiaka ny onja Tsy lakana afaka hitondra Ny maso no alefa maminany Hibanjina anao any ho any. Alahelo sy toloko, Rehefa injay tsaroko Fa noho ny hasomparan'ny tany, Izaho aty ianao lavitra any Tsy azo hiadiana ny anjara, 'Zay ngamba no noheveriny ho tsara Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka Na dia mangidy mavesatra. Fa ny ahy dia fitia tena marina Na anaty onaona aza ho tafarina Na halevina mety mandifotra olona Hiposaka, haniry, hamololona. Ny hany hafatro dia ny hoe matokia Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia Ny halavirana sy ny taona Tsy hahasakana antsika tsy hihaona.
Writer(s): Andrianabela Rakotobe Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out